Mifantoka ao amin’i Jesosy

30 juillet 202316 h 46 min

Ny fahasoavan’ny Tompo anie ho aminao mandrakariva. Mino aho fa betsaka ny tena zaraina eto nampahery anao ary ny amin’ity androany ity dia mbola hampifantoka bebe kokoa hatrany ny fiarahan-tsika amin’Andriamanitra. Mijery ny tsy hita isika amin’izao fiazakazahana izao ry namana malala. Ao anatin’izany dia ilay efa nandresy izao tontolo izao no mampifantoka ny fo sy ny saintsika ka na inona na inona zavatra mitranga manodidina dia aoka ireny tsy handoto na hampiova ny voa efa napetraka tao anatintsika. Teny nentin’i Fr Naivo