Mitafy an’i Kristy

1 mai 20236 h 33 min

Ny fahasoavan’ny Tompo anie ho amin-tsika tsirairay avy indray androany. Misaotran’ny Tompo fa mbola mitahiry antsika tsirairay avy Izy. Tahaka ny ahoana moa isika eny amin’ny andavan’androtsika tsirairay avy eny. Izay betsaka ao anatin’ny fontsika no mivoka ety ivelany. Raha Jesosy no tena betsaka ao anatin’ny fotsika dia miova ho to an’i Jesosy ny amitsika rehetra na fiteny na fitafy na ny mombatsika rehetra. Handini-tena indray isika androany hoe hatraiza ny dingana efa vita ary hifampivavaka isika mba handroso hatrany ihany. teny nentin’i Fr Hezekia