Mitady an’Andriamanitra

3 septembre 202319 h 02 min

Ny fahasoavan’ny Tompo hatrany ho amintsika tsirairay avy. Hanaraka anao hatrany anie ilay famindrampon’Andriamanitra. Ny teny zaraina androany dia ny amin’ny fanatrehan’Andriamanitra. Tena zava-dehibe ny fanatrehan’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika. Refa tsy misy ny fanatrehan’Andriamanitra dia tonga avokoa zao zavatra tsy mahasoa rehetra izao, fahakiviana, fikorotanana, ady maro samy hafa. Mila ny fanatrehan’Andriamanitra ny fiainantsika. Araka ny tenin’Andriamanitra manao hoe  » Izay mitady no hahita ary izay mandondona no ho vohaina. te-hahalala misy misy kokoa ve ianao. araho ny teny zaraina androany. nentin’i FR Hezekia