Mitadiava an’i Jehovah

30 août 202017 h 26 min

Mampahery anao hatrany izay manaraka tsy tapaka ny teny zaraina eto. Tia anao Jesosy. Vanim-potoan’ny fizahan-toetra ny amin’ny finoantsika izao fotoana izao. Raha mahatsapa ianao dia betsaka ny olona no lasa malaina amin’ny fanoloran-tena. Ao no tratry ny fahavarimbarianana amin’ny zavatra maro samy hafa dia hadino fa mila manomana ny fanahitsika andro aman’alina isika. Raha ho avy tampoka Jesosy ka tsy hitany teo ampiambenana ianao dia inona re no ho lazainao e? Tia anao anie Jesosy e! Matoa mbola nomeny tombon’andro ianao hanolaranao tena bebe kokoa. teny nentin’i rahalahy Ezekia