Matoky an’Andriamanitra

6 septembre 202016 h 52 min

Misaotra an’i Jesosy isika fa tsy lany fampaherezana omena an-tsika Izy. Na dia tsy nanantena intsony aza ianao dia aoka mbola hanantena ihany satria misy anjara ho anao ao amin’i Jesosy. Misy olana ve? Misy valimbavaka efa nandrasana hatry ny ela kanefa mbola tsy tonga mandrak’androany. Aoka hatoky an’Andriamanitra ianao fa tsy nisy zavatra izay no lazainy ka tsy nohefainy. Miandrasa an’i Jeohovah ianao fa manana vahaolana tsara ho anao Izy. Vahaolana tsy hitondra olana indray fa fiadanana. Amen. Teny nentin’i rahalahy Ezekia