Misisia amin’ny vavahady

3 février 201920 h 24 min

blog-od_1024x1024Tena Misaotra an’ny Tompo fa mbola voatahiry ianao mandrak’androany. Tsy foana ny fikelezan’aina ao amin’ny Tompo. Manasa anao indray ankehitriny haka vatsy amin’ny tenin’Andriamanitra nozaraina androany. Tery ny vavahady ary mila misisika, izay no teny napetraky ny Tompo tamin’ny mpanompony. Tsy mora tokoa ny làlana makany an-danitra ry havana. Betsaka ny zavatra tsy maintsy am-pandeferina satria te hanana anjara ao amin’ny fanjakan’ny lanitra ianao. Mbola hanome vahana ity nofo ity ve? Izay miaro ny ainy no hahavery azy hoy ny tenin’Andriamanitra. teny nozarain’i rahalahy Naivo