Mila fanampaha-kevitra

27 février 202219 h 06 min

Misaotran’ny Tompo isika fa nomeny fotoana hifampizarana indray androany. Tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo. Ny lohahevitra zaraina androany dia ny amin’ny fanampaha-kevitra. Eo amin’ny fiainana dia betsaka ny safidy tokony ho raisintsika na eo ami’ny ara-nofo na ny aram-panahy. Kanefa ny maro dia mijanona eo amin’ny izay safidy izay fotsiny fa tsy tonga amin’ny fanampahakevitra. Tena ilaina ny fanampaha-kevitra raisin’tsika fa izay no mamaritra ny anjarantsika araka ny hiratsika ao ami’ny fihirana. teny nentin’i Pastera Hezekia