Mihambena mandrakariva

17 février 202316 h 26 min

Ny fahasoavan’ny Tompo anie ho amin’tsika tsirairay avy. Tsara mandrakariva ny mifampahery amin’ny tenin’Andriamanitra. Ny lohateny zaraina androany dia ny amin’ny fiambenana. Mba mety manao ahoana ny fiandrasantsika ny fihavian’ny Tompotsika? Ho avy Jesosy ary ho avy tsy ho ela izy. Mety efa mba vonona ve isika tsirairay avy? Raha ny eto amin’ity tany fandalovana ity dia mandalo ihany. Fotoana malalaka mbola afahana mandinin-tena izao. teny nentin’i Fr Rivo