Miambena sy mivavaha

24 novembre 201920 h 45 min

virjiny 10Miarahaba antsika tsirairay avy any antokatrano any. Jesosy anie hamangy ny mpanaraka ny toriteny eto isaky ny alahady. Raha ny zava-misy na ny zava-mitranga etsy sy eroa no resahana dia efa hafaka miteny isika hoe efa akaiky ny andro hitsaran’Andriamanitra ny asan’ny zanak’olombelona. Mety manahona re ny fiomanan-tsika ao anatin’izany e. Tsy sasatra Andriamanitra manaitra antsika satria atomotra ny faran’ny zavatra rehetra. Kanefa araka ny tenin’Andriamanitra dia ho vitsy no tafakatra. Fa nahoana re? Mbola variana ny ankamaroany ka na ireo zay mba nanana saina hiambina aza dia nanao ho zavatra kely ny amin’ny solika fitaiza. Manasa anao hanaraka ity toriteny ity. Sao dia ity no toriteny farany henoko sy henonao. teny nentin’i rahalahy Hezekia.