Maniria ny zavam-panahy

18 mars 20249 h 41 min

Jesosy anie hamangy ny tokatrano tsirairay avy indray androany. Tsy foana ny fahazotoanao manaraka tsy tapaka ny fandaharana eto fa sady mahasoa ny fanahinao izany no mitondra aina vao ihany koa ny herinao hiatrehanao indray ny herin’andro vaovao. Raha ny fahazaina sy ny fahalalana eto amin’izao tontolo izao dia efa tena lasa lavitra kanefa i Solomona mpanjaka arakan’ny tenin’Andriamanitra no manana fahendrena sy fahalalana indrindra. Ao anatin’izany anefa dia nilaza izy fa zava-poana ihany izany rehetra izany. Mianatra ihany isika, miasa ihany isika satria mbola miaina eto ambonin’ny tany fa tsy ambanin’izany rehetra izany ny zava-mpanahy. ary raha maniry ihany ianao dia maniria ny ambony hatrany. teny nentin’ny Fr Tafita