Mandroso Ara-panahy

6 juin 202115 h 24 min

Misaotra an’i Jesosy fa mbola eo ianao. Na dia mafy aza no natrehana tamin’iny heritaona lasa iny dia Jesosy no mbola mitahiry antsika tsirairay avy. Mbola tsy vita anefa ny ady fa mbola hiatrika ny ady farany isika alohan’ny ahatongavan’i Jesosy eny amin’ny rahon’ny lanitra. Mety tsy vita intsony ve ka hihemotra? Amin’izao fotoana izao indrindra no ilàna ny finoantsika matanjaka tsara. Angataho ny Fanahy Masina fa Izy no hampianatra anao ny zavatra rehetra. Teny nentin’i Fr Naivo