Manana teny fikasana maro ianao

7 mars 202311 h 30 min

Ny fahasoavan’ny Tompo anie ho amin’ny fiangonan’Andriamanitra tsirairay avy. Tsy amin-kery na amin-pahatanjahana fa amin’ny fanahiko hoy Jehovah. Te hampahery anao indray Jesosy androany. Raha mba mandinika ny tenin’Andriamanitra ianao dia mahita teny fikasana maro entina hampaherezana anao. Natao ireny teny fikasana ireny ho enti-miasa eo amin’ny olana, aretina sy ny sakatsakana maro samy hafa ataon’ny devoly. Mila mampiasa ny teny fikasana isika ho fitaovam-piadiana enti-mandresy. Teny nentin’i Fr Tiana