Manamasina ny tenanareo fa …

31 décembre 202317 h 56 min

Ny fahasoavan’ny Tompo hatrany anie ho anao sy ny ankohonanao. Ity fotoana androany ity dia andro hamaranantsika ny taona 2023 ary hiandrasan-tsika ny taona vaovao 2024. Mijery ny lasa mba handrosoana. Manahoana ny zavatra efa vita sy ny hezaka tokony hatao. Tsy misy tanteraka isika fa mbola miazakazaka ho any amin’ny tena fantanterahana dia Jesosy. Betsaka ny zavatra mba handrasan-tsika ho tanteraka eo amin’ny fiainan-tsika na ny aram-panahy na ny ara-nofo. ny andrasan’i Jesosy amintsika dia ny hanamasinantsika tena hiandrasan-tsika ny valimbavaka tsy takatry ny saina. teny nentin’i Frere Jaona