Mametraka zavatra tsara

7 mars 20248 h 05 min

Ny fahasoavan’ny Tompo anie ho amin-tsika tsirairay avy. Matetika isika no milaza fa mpivahiny ihany isika eto amin’izao tany fandalovana izao. Toy ny aloka, tsy maharitra. I Abrahama dia natsoina mba ho mpivahiny hitondra ny anaran’Ilay Andriamanitra nahary izao rehetra izao ary tsy nanao ho zavatra fikirina ny efa azony teo aloha izy ny amin’izao fiainana izao fa ny voalohany dia ny fiainana mandrakizay. Raha mpivahiny ihany isika eto tokony ho tahakany aona moa ny asa tsara hapetraka ho an’ny taranaka mandimby? teny nentin’i Pastera Rivo