Mamenoa ny tany

5 septembre 202121 h 26 min

Andriamanitra no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Noho ianao no nisian’izao teny zaraina izao satry tiany ianao. Raha nahary ny tany sy ny lanitra Andriamanitra dia nahary ny zava-manan’aina rehetra araka ny karazany avy ary tao koa ny olom-belona. Dia hitany fa tsara ny asan’ny tanany ary nitso-drano ireo izay tsara rehetra nohariny Izy mba hihamaro. Saingy nohon’ny fahotan’ny zanak’olombelona dia niova ho ny zavatra ratsy no nihamaro ary nanome vahana an’ny devoly izany. Jesosy anie hanokatra ny masom-panahintsika androany. teny nentin’i Pastera Rivo