Maharitra amin’ny fihazakazahana

21 août 202216 h 35 min

Ny Tompo anie homba anao hatrany. Na dia tsy hafaka manatrika fivoriana mivantana aza ianao dia efa nanomana sakafom-panahy ho anao Jesosy. Hazakazaka izao làlana alehatsika izao. Mety matetika miverina izany teny izany kanefa hilaintsika ny fanairana fa betsaka ny ady eny an-dalana eny mety mahatonga ny mpihazakazaka ho kivy, tsy hanohy intsony, reraky ny ady. Mbola manome fanatenana antsika ny fampaherezana eto isaky ny alahady fa raha maharitra isika dia hanana anjara ao amin’ny toerana fitsaharana. Teny nentin’i Fr Naivo