Kristy ato amiko

9 décembre 20247 h 46 min

Ny fahasoavan’ny Tompo hatrany anie ho amiko sy ho aminao. Miezaka isan’andro isika mba ho tahaka an’i Jesosy feno hery, feno fahasoavana, feno fahamasinana satria rehefa feno isika dia ilay fahafenoina ao anatintsika no hery manainga antsika ho velona tahaka an’i Jesosy. Mangetaheta ve ianao ny ho fenoina? Angatao Jesosy hanova tanteraka ny momba anao rehetra. teny nentin’i Pastera Hezekia