Jesosy ilay fiainana
14 juin 202616 h 17 min
Mora ve ny manaraka an’i Jesosy? raha efa nanompo an’Andriamanitra ianao dia efa nahatsapa fa misy fotoana sarotra ny lalana hitondran’Andriamanitra. Misy fotoana tsy azo aza ny anton’ny fitondrany. Raha nitory ny amin’ny rany ho fisotro sy ny nofony ho fihinana Izy dia betsaka no tsy nahazo dia niala tsy ho mpianatra intsony. Ankehitriny, manomboka hazavain’Andriamanitra ny zavatra rehetra. Andramo ka izahao fa tsara Jehovah. teny nentin’i Pastera Hezekia
