Izay masina dia mbola ho masina
16 juin 202416 h 14 min
Ny fahasoavan’ny Tompo hatrany anie ho amiko sy ho aminao. Mande ny andro sy ny fotoana ry havana malala. Tsy tompon’ny fotoana isika, Tsy tompon’ny ampitso izao sy ianao. Manahoana ny fanomananao ny rehefa avy eo anao? Tena manasa anao ny tenin’Andriamanitra anio mba hanana fiainam-panahy feno fandinihan-tena mandrakariva. Raha androany no ho tapitra ny andronao ka hiseho eo anatrehan’Andriamanitra ianao dia mety ho anahoana ny akanjom-panahinao? teny nentin’i Pastera Naivo
