Fahavalo efa resy satana

23 juin 202419 h 14 min

Ny fahasoavan’ny Tompo anie ho amiko sy ho aminao hatrany. Tsy kivy isika fa miara mandroso ihany amin’izao lalan-danitra izao. Mety ao ny zavatra maro samy hafa manelingelina fa fantatsika fa ny fahavalo dia fahavalo efa resy ary izany indray no entina eto amin-tsika androany. Fahavalo efa resy satana ary tsy misy toerana ho azy intsony any an-danitra dia izay efa natao ho piray lova amin’i Kristy no hitadiavany hevitra andro aman’alina. Toero ny devoly dia handositra anareo izy. teny nentin’i Pastera Ezekia