Izao no andro mety

20 janvier 201919 h 55 min

0Ny Tompo anie hamangy ity tokatrano ity androany. Tsy lany hamamina ny tenin’Andriamanitra. Matetika ianao no maheno fa ho avy Jesosy. Mba efa tena nosaintsainao ve izany? Efa mba niomanana ho amin’izany ve ianao? Ny teny izay efa nampilazana ireo mpaminany maro dia tsy maintsy ho tanteraka dia ny amin’ny handravana izao rehetra izao. Betsaka ny amin’ny teny faminanina no efa tanteraka. Mbola tsy tara ianao fa mbola miandry anao Jesosy. Teny netin’i rahalahy Rivo