Izay madio fo ihany …

25 avril 202115 h 19 min

Miarahaba anao izay mamangy ity pejy ity indray androany. Jesosy anie hampitombo ny fahalalan-tsika tsirairay avy ny amin’ny fanjakan’ny lanitra. Amin’izao fotoana sarotra izao dia mila manana fo feno fisaorana sy fitiavana isika raha maniry ny ho any an-danitra. Anisan’ny zavatra sarotra indrindra amin’ny olombelona ny manova ny toe-mpo. Tsy izay rehetra mivoaka avy ao anatin’ny fo dia tsara avokoa. Ny tenin’Andriamanitra dia milaza amin-tsika fa izay madio am-po ihany no ahita an’Andriamanitra. vonona amin’izany ve isika? teny nentin’i rahalahy Naivo