Iza no manapaka ny fiainanao?

19 décembre 202411 h 01 min

Ny fahasoavan’ny Tompo hatrany anie hamangy anao amin’ity androany ity. Ao anatin’ny fetin’ny fankalazana ny nahaterahan’ny Mpamonjy isika izao. Ny zavatra hita eny amin’ny fiaraha-monina dia lasa fety ara-nofo no hita fa tsy ilay Jesosy tonga hitondra fiainana ho antsika. Apetraka aminao ny safidy amin’ity androany ity. Na isika hisafidy ny filan’ny nofo dia hijinja fahafatesana na isika hisafidy ny ho tantanan’i Jesosy dia handova fiainana. teny nentin’i Pastera Emile