Iza moa ianao ?

19 juillet 202017 h 44 min

Mamangy am-pitiavana ny tokatrano tsirairay indray androany. Te hampahery sy hampafantatra anao ny marina indray Jesosy androany. Fa iza tokoa moa izaho sy ianao? araka ny tenin’Andriamanitra dia asan’ny tanan’Andriamanitra izaho sy ianao. Afapo tanteraka Andriamanitra raha nanao anao. Tsy nisy fisalasalana fa nataony tahak’Azy. Ary fanampin’izany rehetra izany dia nomeny ny fahatsarana rehetra satria mendrika izany ianao. teny nentin’i rahalahy Naivo.