Inona no tsy efa tanteraka!

4 juin 20187 h 04 min

false prophetAndriamanitra anie hitahy ny tokatrano izay mampiatrano ny tenin’Andriamanitra. Andro farany tokoa izao ry havana malala. Mety efa henonao matetika izany teny izany ka tsy dia tena mino loatra intsony ianao kanefa mahasoa ihany ny teny haverina mba ho fanairana ny fanahinao. Ary indrindra indrindra mba hananao fotoana hiomanana tsara. Raha dinihina ny tenin’Andriamanitra dia efa tanteraka avokoa ny famantarana rehetra indrindra amin’izao vanim-potoana hiroboroboan’ny teknolojy izao. efa tonga hatrany amin’ny tany lavitra andriana ny radio sy ny finday. Azo lazaina fa efa tanteraka 99% ny fitoriana ny filazan-tsara manerana ny tany. Miomana hihaona amin’ny mpampakatra. teny netin’ny mpanompony rahalahy Naivo.

remarque: Raha misy fangataham-bavaka na hetaheta avy aminao mba hifampizara fampaherezana dia azonao atao ny manoratra amin’ity adresy mail ity. jesosymamonjyfrance@gmail.com