Ho resy ve?

6 décembre 202020 h 50 min

Jesosy anie hamangy ny tokatrano izay mampiantrano izao toriteny izao indray. Betsaka ny fanka-panahy mahazo ny zanak’olombelona amin’izao fotoana izao. Ary ny zanak’Andriamanitra koa dia mba mandalo fanka-panahy.
Araka ny tenin’Andriamanitra fa ho zahana toetra ny olona amin’ny andron’ny fanka-panahy. Tsy ho vitantsika ny hanohitra ny fankapanahy raha tsy miaraka amin’i Jesosy isika. Izy no efa naharesy izao tontolo izao. Teny nentin’i rahalahy Naivo