Henjehina ve ianao?

6 février 202216 h 52 min

Misaotran’ny Tompo isika nohon’ny famindram-pony raha mbola omeny fotoana hahenoina ny tenin’Andriamanitra.
Amin’ny fanarahana ny Tompo dia tsy maintsy misy ny fanenjehana . Mety mafy ny fanenjehana mahazo anao androany satria nanapakevitra handeha amin’ny fahamarinana ianao. Raha ny marina dia izay manao ny ratsy sy mande amin’ny tsy fahamarinana no tokony ho melohina kanefa mifanohitra amin’izany ny zavatra misy eto amin’izao tontolo izao. Mampahery anao indray ny teny zaraina androany satria sambatra izay henjehina nohon’ny fahamarinana. Aoka samy hahery isika. Fr Christian