Havaozina ny zavatra rehetra

14 janvier 202417 h 14 min

Ny fahasoavan’ny Tompo hatrany ho amintsika tsirairay avy. Nohon’ny famindrampin’ny Tompo dia mbola hafaka mizara ny teny fampaherezana ho anao sy ho ahy indray androany. Taona vaovao dia samy manantena isika mba hisy zava-baovao eo amin’ny fiainantsika na ny ara-nofo na ny aram-panahy. Tena tsara ny hetahetanao kanefa alohan’ny andraisanao izany fahasoavana izany dia ilay fo sy saina ary fanahy mandray ilay fahasoavan lehibe aloha no aoka ho hetahetatsika mba ho havaozina ary dia haharitra na ny fanahin-tsika na ny fahasoavana ho azon-tsika. teny nentin’i Pastera Emile