Fitiavana voalohany

3 octobre 202115 h 52 min

Amin’ny anaran’i Jesosy indray no hamangiana ny tokatranonao amin’ity androany ity. Mitohy ny dia amin’ny fanarahan’ny Tompo kanefa indraindray toa mia-reraka, mia-lefy ny hery. Tsy tokony vao maika aza ve hitombo sy haharitra. Ady izao lalana diavintsika izao ry namako. Mila fandinihan-tena isan’andro. Sao dia efa tsy ao intsony ilay fitiavana tahaka iny vao nanompo iny? sao dia efa tsy tsaroana intsony ilay fotoana voalohany nakana fanampaha-kevitra matotra tsara iny. Misaotra an’i Jesosy fa mbola omeny tombon’andro andinihan’tena isika. teny nentin’i Pasteur Naivo