Fiovana mahagaga

20 novembre 202217 h 34 min

Misaotran’ny Tompo nomeny fotoana indray isika androany hifampahery eto. Mandrapihavin’i Jesosy eny amin’ny rahon’ny lanitra dia manana hafatra ambara amin-tsika mandrakariva Izy ary tsy diso anjara izaho sy ianao. Betsaka ny fahagagana izay mety heno sy hita fa ny fahagagana maharitra indrindra dia ny olona iray izay niova fo sy nanampan-kevitra hanaraka an’i Jesosy. Asan’ny Fanahy Masina madiodio izany ary amin’ny fahagagana voatan’isa dia amin’ny mpanota iray izay nibebaka ihany no voalaza fa  » Misy fifaliana lehibe any an-danitra « . Satria tsy mora ny mampiavana olona iray amin’Andriamanitra. Raha efa novonjena ianao dia tohizo ny asa-tsara izay efa noraisinao ary raha mbola misalasala ianao dia mbola manana fotoana ianao handraisana an’i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainanao. Teny nentin’i Fr Hezekia