Ampy anao ny fahasoavako

27 novembre 202217 h 19 min

Jesosy anie hitahy indray ny tokatrano rehetra izay mandray izao teny zaraina izoa androany. Tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo. Mety mandalo zava-tsarotra ianao ankehitriny. Ao koa ny mitady ny fitarihan’ny Tompo eo amin’ny fiainany manokana. Te hizara ny fahasoavany aminao Jesosy androany. Na inona na inona zavatra lalovanao dia hanome ny fahasoavany lehibe ho anao sy ny ankohonanao Izy. teny nentin’i Fr Emile