Fidio ny fiainana

11 décembre 20239 h 10 min

Ny fahasoavan’ny Tompo hatrany amin’ny tokatrano izay mandray ny tenin’Andriamanitra androany. Tsy mijanona isika fa mandroso ihany, na dia ohatran’ny reraka aza indraindray dia hiezaka ihany. Raha efa nifidy ny fiainana ianao dia mahereza hatrany fa tsy foana ny fikelezan’aina. Raha mbola mametraka fanotaniaina ny amin’ny fahamarinan’ny tenin’Andriamanitra ianao dia Jesosy anie hanokatra ny sainao mba hitomboanao amin’ny fahalalana bebe kokoa. Teny nentin’i Pastera Emile