Fanatitra ankasitrahana

22 septembre 202417 h 05 min

Ny fahasoavan’ny Tompo anie ho amiko sy ho aminao. Tsy ho very maina ny fandalovanao eto amin’ny pejy fa hitondra fahasoavana ho an’ny fanahinao dia avy eo ho an’ny nofonao. Fanatitra tahaka ny ahoana moa no fanatitra ankasitrahan’Andriamanitra. Tena tsara ny mamaka faka sy mandalina ny amin’ny fanatitra satria maro ny fampianarana izay entin’ny olona handraisana izany fanatitra izany avy ao amin’ny baiboly. Tsara ho antsika ihany koa ny manana fahalalana ny amin’izany fa mba ho fanatitra ankasitrahana ny fanatitra anteritsika eo anatrehan’Andriamanitra. Ny andininy dia ho harahinao ao amin’ny toriteny zaraina izay nentin’i Fr Richard