Apokalipsy 14
6 octobre 202416 h 40 min
Ny fahasoavan’ny Tompo anie ho amin-tsika tsirairay avy. Ny fotoana izay omen’Andriamanitra antsika afahan-tsika mandinika ny tenin’Andriamanitra dia tombotsoa lehibe ka aoka samy hanararaotra an’izany isika tsirairay avy mba tsy ho diso anjara. Ny teny zaraina androany dia ny amin’ny hisehoan’ny biby dia sy ny fihavian’ny zanak’ondry hijinja izay vokatra efa nafafy. Fehiny dia mbola omen’Andriamanitra fotoana andinihan-tena sy hibebahana isika izao. Hararaoty fa mbola misokatra ho anao ny varavaran’ny lanitra raha manaiky ianao anio. teny nentin’i Pastera Ezekia