Fanasina ianao

14 mars 202116 h 17 min

Jesosy anie hamangy ny tokatranonao indray amin’ity androany ity. Nohon’ny famindrapon’ny Tompo dia mbola mijoro izaho sy hianao. Araka ny tenin’Andriamanitra manao hoe raha ny fanasina no tonga matsatso dia inona intsony no haha sira azy? Mbola ao ve ny hetahetanao amin’izao fanarahana an’i Jesosy izao? Sao dia efa nangatsiaka, ianao izay modely teo amin’ny fiaraha-monina dia tonga natsatso. Atomotra ny faran’ny zavatra rehetra, Izay maharitra hatramin’ny farany no ho vonjena. Teny nentin’i Fr Naivo