Fampianarana marina

11 décembre 202217 h 39 min

Ny fahasoavan’ny Tompo Jesosy izay nitondra ny famonjena anie hamangy ny tokatranonao indray androany. Mande ny andro sy ny fotoana, ny zavatra marina sy mety omaly lasa miova ho tsy mety intsony ary ny tsy nekena omaly lasa ankasitrahana indray. Mankaiza ny fampianarana amin’izao vanim-potoana lazaina fa taonan’ny fandrosoana izao ry havana malala. Ny toriteny fototra efa adino sy tsy ambara intsony ka lasa fanabezana ara-tsaina no sakafom-panahy. Ho vonona ve isika raha ho avy eny amin’ny rahon’ny lanitra Jesosy? teny nentin’i Fr Naivo