Fahazavana sa manakona fahazavana?

23 juin 20256 h 18 min

Ny fahasoavan’ny Tompo hatrany anie ho amin’ny tokatrano tsirairay avy androany. Mitarika antsika isan’andro hanakaiky ny mazava kokoa hatrany ,y tenin’Andriamanitra mba samy hahatra ilay fahatanterahana ao amin’i Jesosy Kristy. Jesosy dia nitondra fahazavana ho antsika tsirairay avy ary izay nandray ilay mazava dia lasa tonga fahazavana tahaka Azy mba hanazavana ny manodidina antsika. Ny fanotaniana dia ny hoe mendrika ny fahazavana izay efa nifidianana antsika ve isika sa isika indray no fitaovana hanakona ilay mazava? teny nentin’i Pastera Naivo