Ataovy ny voadinao

16 septembre 201818 h 44 min

voadyLehibe ny Andriamanitsika ry havana ô! Isika tsy mifankahita fa Izy dia mahita anao ary te hizara zavatra aminao ndray Izy androany. Anisan’ny zava-miafina ao anatin’ny fahazoana valimbavaka ny fampanatenana ataontsika an’Andriamanitra. Tahaka an’i Hana izay momba. niteraka alahelo teo amin’ny fiainany izany fahamombana izany. Nanantona akaiky sy nitaraina tamin-dranomaso teo anatrehan’Andriamanitra izy mba hahafa-tondromaso azy ary tsy vitan’izay fa nampanatenainy Andriamanitra fa hatolony ny zanany ho mpanompon’Andriamanitra dia nohenohina ny fitarainany. Mba misy fotoana anie mba te haheno fampanatenanan avy aminao Andriamanitra e! Teny netin’i Rahalahy Ezekia