Efa vonona ve ianao?

7 novembre 20227 h 37 min

Jesosy anie hitahy ny tokatrano tsirairay avy indray androany. Matoa mbola mahazo teny eto isika dia nohon’ny famindram-pon’Andriamanitra ary mbola tsy diso anjara isika mandrak’ankehitriny. Mia mandroso ny taona sy ny volana, mia manakaiky ny andro hiavian’i Jesosy eny amin’ny rahon’ny lanitra. Raha efa nampilazaina izany tamin’ny andron’ny apostoly dia mino aho fa efa vonona Jesosy hitsara izao tontolo izao. Kanefa efa vonona ve izao sy ianao? Fotoana izao handinihan-tena, reo toetra rehetra mbola manavesatra dia handosiratsika mba hananatsika antoka fa hiakatra isika. Teny nentin’i Fr Hezekia