Efa manana ny marika ve ianao?

25 juillet 202116 h 19 min

Faly mizara eto indray amin’ity androany ity. Ny tombon’andro rehetra omen’i Jesosy an-tsika dia hisaoran-tsika Azy mandrakariva. Mankasitraka hatrany ny tokatrano izay mandray ny teny zaraina eto. Ny fahasoavan’ny Tompo anie ho aminao mandrakariva. Tsy mora ny làlana izay hitondran’Andriamanitra ny olony kanefa tsy fatiantoka fa fifaliana sy fiadanana ny miaraka Aminy. Ny toe-javatra miseho amin’izao fotoana izao dia mampametra-mpanotanina ny maro. Fa ny ahy sy ianao dia ny hoe  » Azoko antoka ve ny famonjena efa nataon’i Jesosy teo amin’ny fiainan-tsika? ». « Efa nandray ny marika maha zanak’Andriamanitra ve isika? ». Manasa anao aho handinin-tena indray anio fa fotoana izao. teny nentin’i Pastera Hezekia