Dinio aho Jesosy ô, fantaro ny eritr’eritro
17 novembre 202417 h 33 min

Ny fahasoavan’ny Tompo anie ho amin’ny tokatrano tsirairay avy. Tsy ho foana ny fikelezantsika aina ao amin’ny Tompo satria maniry ny zavam-panahy ianao dia ny ampandroso ny aram-panahinao. Kanefa, ilain-tsika ny mandinin-tena isan’andro. Aiza ho aiza isika amin’izao fanompoana izao. Mandroso ve sa mbola tavela? inona ny zavatra mbola misakana? Tena fotoana mbola omena antsika izao mba hisian’ny fifohazam-panahy any antokatrano tsirairay avy any. teny nentin’i Pastera Ezekia