Misy anjara ho anao

7 novembre 20248 h 23 min

Ny fahasoavan’ny Tompo anie ho aminao androany. Misy teny tin’Andriamanitra indray androany hampaherezana antsika tsirairay avy na izaho mizara na ianao mamaky dia samy ho fenoin’ny fahasoavan’Andriamanitra anie isika tsirairay avy. Ny teny androany dia ny hoe Tian’i Jesosy ho hita ny finoantsika satria misy anjara ho antsika eo amin’i Jesosy. Betsaka ireo olon’ny finoana tao amin’ny baiboly fa resahana manokana i Rahaba janga. Na inona toerana nisy azy dia ny fo madio sy ny finoana nanany no nahavonjy azy sy ny ankohonany. Mbola misy anjara koa ho anao sy ho ahy eo amin’ny Jesosy. aoka hitohy hino ianao. teny nentin’i Fr Joniah