Bokin’ny apokalipsy andro-11

16 février 202520 h 32 min

Ny fahasoavan’ny Tompo hatrany anie ho amintsika tsirairay avy. Mitohy hatrany ny fampianarana sy ny fanazavana ny amin’ny bokin’ny Apokalipsy. Jesosy anie hikasika ny fontsika ary hanokatra ny saintsika ny amin’ny zava-miafin’ny tenin’Andriamanitra. Zao vanim-potoana izao dia vanim-potoana hisehon’ny fahatanterahan’ny tenin’Andriamanitra ny amin’ny andro farany. Ny teny zaraina androany dia ny amin’ilay vehivavy janga izay voalzan’ny bokin’ny apokalipsy. Izy io ary ahoana ny toerantsika ao anatin’izany. teny nentin’i Pastera Hezekia