Ataovy voalohany Jesosy

6 janvier 20257 h 54 min

Ny fahasoavan’ny Tompo anie ho aminao sy ny ankohonanao androany. Ity no alahady voalohan’ny taona iarahantsika eto indray. Matsiaro manokana anao Jesosy ny amin’ireo zavatra rehetra andrasanao kanefa mba efa nametraka azy ho lohany eo amin’ny fiainanao ve ianao? Efa ela Jesosy no niandry anao ary matoa mbola nahatratra ity andro ity ianao dia nohon’ny fifonana ataony andro aman’alina eo amin’ny Ray mba ho vonjena sy ho voatahiry isika. Ataovy ambony nohon’ny zavatra rehetra eo amin’ny fiainanao Jesosy dia ho hitanao fa hitondra fiadanana ho anao izany. Teny nentin’i Pastera Naivo