Andao handroso!
9 janvier 20257 h 56 min

Ny fahasoavan’ny Tompo hatrany anie ho amiko sy ho aminao izay manaraka tsy tapaka ny teny fiainana izay zaraina eto. Taona vaovao, Fijery vaovao, aina vaovao. Mba ho hetaheta sy fanirina ho an’ny fiangonan’Andriamanitra rehetra anie izany. Te hanavao ny fiangonany Andriamanitra mba tsy ho toy ny teo aloha fa hisy fifoahazana vaovao indray. Maniry izany ve ianao? Izay maniry ny zava-mpanahy dia ny ampandroso ny fiangonana. Teny nentin’i Pastera Emile.