Ataovy tsara ny safidy

6 mai 201818 h 57 min

fork-in-roadMamangy ny tokatranaon-tsika indray ny tenin’Andriamanitra androany. Nomena safidy malalaka isika ny amin’ny fandraisana ny tenin’Andriamanitra. Kanefa mino aho fa matoa ianao nanokatra izao tranok’ala izao de nifidy ny handray ny hahazo ny fiainana. Eo amin’ny fiainan-tsika zanak’olombelona dia ny safidy atao no mamaritra ny lalana hizorana. Mamaritra ihany koa ny ho avy. Te hanaitra an-tsika ny tenin’Andriamanitra ny amin’izany safidy izany. Malalaka ny tsirairay amin’ny maha olombelona azy eo amin’izay tiany hitondrany ny fiainany fa ny lalana mitondra ho an’ny amin’ny fiainana dia voalazan’ny tenin’Andriamanitra fa tery ny lalana makany ary vitsy no tonga any. Teny netin’ny mpanompony rahalahy Ezekia