Asehoy fa tia an’Andriamanitra ianao

15 janvier 20188 h 56 min

blogger-image--860065650 Misaotra ny Tompo ary misaotra an-tsika rehetra ihany koa fa tontosa soa aman-tsara ny fety nankalazana ny nahaterahan’ny Mpamonjy. Satria teo ianao, satria nanohana am-bavaka ianao na dia tsy nanatrika aza. Mino aho indrindra ho anao izay mihaino ity fampaherezana ity mba hiray fo sy saina ary fanahy indray ho amin’ity taona 2018 ity hampandroso ny asan’Andriamanitra satria tinao Andriamanitra, tinao ny asany. Ny teny ho zaraina androany dia toriteny ny alahady maraina sy hariva netin’ny mpanompony rahalahy Hezeika ny maraina ary rahalahy Emile ny hariva.