Arotsay lalina ny haratonao

18 février 201819 h 46 min

MINOLTA DIGITAL CAMERANy Tompo anie hitahy anao sy ny tokatranonao indray androany. Mbola tsy tapitra akory ny andron’ny fahasoavana. Isika raha mbola ety ambonin’ny tany dia tsy hilaozan’ny olana maro isan-karazany. Ny hafatra etina am-paherezana anao androany dia hoe arotsay amin’ny lalina ny haratonao. Ho hitanao fa hiasa amin’ny fiainanao Andriamanitra ary rehefa hazonao ny hazan-drano be dia hisaotra sy hidera Azy ianao ary hanana fotoana indray hanopoana ny Tompo. Teny fampaherezana netin’ny mpanompony rahalahy Hezekia