Aoka hitandrina isika

26 février 202317 h 46 min

Ny fahasoavan’ny Tompo hatrany ho anao sy ny ankohonanao. Tsy kivy isika na reraka fa mandroso ihany. Mety mahatsapa fahalainana kely ve ianao eny andalan’ny fanompoana eny? Amin’ny maha-olombelona mety ho tonga ihany izany kanefa tsy afaka mijanona amin’izany toerana izany isika ry havako. Mitsangana indray de voroy ny herinao, Andao tohizana ny làlana fa kely sisa e! Tsy very maina akory ny hezaka rehetra efa vita hatrizay ary tsy atakalo zavatra mandalo vety vety. teny nentin’i Fr Naivo