Aoka hiambina isika
20 avril 20266 h 10 min
Tsy hafaka ny hitoka-monina isika satria tsy mahavita tena, kanefa eny amin’ny toerana rehetra misy antsika tsirairay avy eny dia miatrika zavatra maro samy hafa. Teny mandratra, fitondran-tena manimba na avy amintsika ihany na avy amin’ny manodidina ka mety hitondra rivotra ratsy ho antsika izany. Raha voafatotr’izany ianao dia mbola eo Jesosy hafaka manafaka anao. Raha mandalo zavatra toy izany ianao dia ento eo amin’i Jesosy fa Izy irery ihany no hafaka hiaro anao amin’ny ratsy rehetra. teny nentin’i Pastera Naivo
